Luke 20

1Ary indray andro, raha nampianatra ny vahoaka tao amin’ny tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, dia nanatona Azy ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna niaraka tamin’ireo loholona. 2Niteny izy ireo, nanao taminy hoe: ‘’Lazao anay hoe amin’ny fahefana inona no hanaovanao ireo zavatra ireo? Na koa iza no nanome anao izao fahefana izao?‘’

3Namaly Izy ary niteny azy ireo hoe: ‘’Izaho koa dia hametraka fanontaniana aminareo. Teneno Ahy ny mahakasika 4ny batisan’i Jaona. Moa ve izany avy any an-danitra sa avy amin’ny olombelona?”

5Niady hevitra izy ireo, niteny hoe: ‘’Raha hamaly isika hoe: ‘Avy any an-danitra’ dia hiteny Izy hoe: ‘Koa nahaona ianareo no tsy nino Azy?’ 6Fa raha miteny isika hoe: ‘Avy amin’ny olombelona,’ dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria izy ireo dia resy lahatra fa Jaona dia mpaminany.‘’

7Noho izany dia namaly izy ireo fa tsy fantatr’izy ireo izay niaviny. 8Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: ‘’Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana hanaovako izao zavatra rehetra izao.‘’

9Noteneniny tamin’ny vahoaka izao fanoharana izao: ‘’Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka, nampanofa izany tamin’ny mpamboly voaloboka, ary nandeha tany amin’ny firenena hafa nandritra ny fotoana maharitra. 10Tamin’ny ora voatondro dia nandefa mpanompo izy ho any amin’ireo mpamboly voaloboka, fa tokony hanome azy ny voankazon’ilay tanim-boaloboka izy ireo. Nokapohin’ireo mpamboly anefa izy, ary nalefany niverina tanam-polo.

11Avy eo dia nandefa mpanompo hafa indray izy ary dia nokapohin’izy ireo ihany koa, nalainy baraka, ary nalefan’izy ireo tanam-polo. 12Mbola nandefa fanintelony izy ary noratrain’izy ireo koa izy, ary noroahiny.

13Noho izany dia niteny ny tompon’ilay tanim-boaloboka hoe: ‘Inona no ho ataoko? Halefako any ny zanaka lahy malalako. Mety mba ho hajain’izy ireo izy.‘’ 14Fa rehefa tazan’ireo mpamboly voaloboka izy, dia nifampiresaka izy ireo, niteny hoe: ‘Io ilay mpandova. Ndeha ho vonointsika izy, mba ho lasantsika ny lova.’

15Noroahin’izy ireo niala ny tanim-boaloboka izy ary novonoin’izy ireo. Inona ary no ho ataon’ny tompon’ilay tanim-boaloboka amin’izy ireo? 16Ho avy izy ary hamotika ireo mpamboly voaloboka, ary hanome ilay tanim-boaloboka ho an’ny hafa.‘’ Rehefa naheno izany izy ireo, dia niteny hoe: ‘’Sanatria amin‘Andriamanitra!‘’

17Fa nijery azy ireo Jesosy, niteny hoe: ‘’Inona no hevitr’ilay voasoratra hoe: ‘Ny vato izay nolavin’ireo mpanorin-trano no tonga vato fehizoro’? 18Ny tsirairay izay mianjera eo amin’io vato io dia ho torotoro. Fa na iza na iza hianjerany, dia ho potika.‘’

19Koa nitady hisambotra Azy tamin’io ora io ireo mpanora-dalàna sy ireo mpisorona, fa fantatr’izy ireo fa nolazainy io fanoharana io hanohitra azy ireo. Kanefa natahotra ny vahoaka izy ireo. 20Teo am-pandinihina Azy tsara, dia nandefa mpitsikilo mody ho marina izy ireo, mba afahan’izy ireo mahita tsiny amin’ny teneniny, ka hanolotra Azy eo amin’ny fanapahana sy ny fahefan’ny governora.

21Nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: ‘’Mpampianatra ô, fantatray Ianao fa miteny sy mampianatra am-pahamarinana, ary tsy voasariky ny hevitr’iza na iza, fa ianao dia mampianatra ny fahamarinana momban’ny lalan’Andriamanitra. 22Ara-dalàna ho anay ve ny mandoa hetra amin’i Kaisara, sa tsia?‘’

23Fa Jesosy dia nahatakatra ny hafetsen’izy ireo, ary niteny tamin’izy ireo hoe: 24‘’Mampisehoa denaria iray Amiko. An’iza io sary sy anarana eo aminy io?‘’ Niteny izy ireo hoe: ‘‘An’i Kaisara.‘’

25Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: ‘’Noho izany omeo an’i Kaisara ny zavatra izay an’i Kaisara, ary an’Andriamanitra, ireo zavatra izay an‘Andriamanitra.‘’ 26Tsy nahita tsiny tamin’izay nolazainy teo anatrehan’ny vahoaka izy ireo, fa dia nitolagaga tamin’ny valin-teniny ka nangina.

27Rehefa tonga teo aminy ny sasany tamin’ireo Sadoseo, ireo izay niteny fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty, 28nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: ‘’Mpampianatra ô, Mosesy dia nanoratra ho antsika fa raha maty ny rahalahin’ny lehilahy iray, manam-bady, ary tsy manan-janaka, dia tokony haka vady an’ilay vadin-drahalahiny ilay lehilahy, ary hanome zanaka ho an’ny rahalahiny.

29Nisy mpirahalahy fito ary ny voalohany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaka, 30ary ny faharoa koa torak’izay. 31Nampakatra azy ny fahatelo, ary toy izany avokoa izy fito samy tsy nanan-janaka, ary maty. 32Taorian’izay dia maty koa ilay vehivavy. 33Amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ho vadin’iza ary izy? Fa samy efa nanambady azy izy fito.‘’

34Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: ‘’Ireo zanak’izao tontolo izao dia mampaka-bady sy ampakarina. 35Fa ireo izay hita amin’izao andro izao fa mendrika ny handray ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy hampaka-bady na hampakarina. 36Tsy ho faty intsony izy ireo, satria mitovy amin’ireo anjely sy ireo zanak’Andriamanitra, izay zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.

37Fa ny maty dia natsangana, na Mosesy aza dia nampiseho, teo amin’ilay toerana izay nisy ny voaroy, izay niantsoany ny Tompo ho Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba. 38Ary Izy dia tsy Andriamanitry ny maty, fa ny velona, satria ny rehetra dia velona ao aminy.‘’

39Ny sasany tamin’ireo mpanora-dalàna namaly hoe: ‘’Mpampianatra ô, namaly tsara Ianao.‘’ 40Satria tsy sahy nametraka fanontaniana hafa taminy intsony izy ireo.

41Jesosy niteny azy ireo hoe: ‘’Ahoana no ilazan’izy ireo fa Kristy dia zanaka lahin’i Davida? 42Fa Davida tenany no niteny tao amin’ny bokin’i Salamo hoe: Ny Tompo niteny tamin’ny Tompoko hoe: ‘Mipetraha eo an-tanana ankavanako, 43mandra-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ 44Noho izany Davida dia niantso an’i Kristy hoe: ‘Tompo’, koa ahoana no maha zanak’i Davida Azy?‘’

45Teo anatrehan’ny olona rehetra dia niteny tamin’ireo mpianany Izy hoe: 46‘’Mitandrema amin’ny mpanora-dalàna, izay maniry handeha miaraka amin’ny akanjo lava, sy tia fiarahabana manokana eny an-tsena, sy seza voalohany ao anaty synagoga, ary toerana voalohany any amin’ny fanasana. Izy ireo koa dia mandany ny tranon’ireo mpitondra-tena, ary manao vavaka lavareny ho fisehosehoana. Ny lehilahy tahaka izany dia hahazo fanamelohana lehibe kokoa.‘’

47

Copyright information for PltULB